Feno fiderana anao izahay, ry Ray ô

1. Feno fiderana anao izahay, ry Ray ô,
Misaotra anao re
Noho ny soa sesehena izay nafafinao ho anay,
Misaotra anao re.

Misaotra anao izahay fa notiavinao e,
Fiderana no enti-misaotra ny anaranao e ;
Ny hafalianay no indro asehonay e
Ka misaotra anao, ry Rainay ô.

2. Fitsimbinana hatrany no natolotrao anay
Misaotra anao re ;
Fanehoam-pisaorana no iarahanay mihira :
Misaotra anao re.

3. Ny fifankatiavana no natoronao anay,
Misaotra anao re ;
Tanterahinay hatrany izany hafatrao izany,
Misaotra anao re.

Nampiditra tywa68
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Hasina p. 305
Fihirana Vaovao p. 168
Vavaka sy Hira p. 784
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3766