Fitiavana rano velona
1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina,
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra.
2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.
3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.