Omeko anareo ny fiadanako

1-Omeko anareo ny fiadanako
Omeko tsisy fetra ny fitiavakoNareo mifankatia no tena mpianatroMahay mifamela, mahay mifanasoa
Ref : Sambatra, sambatra izay mifankatiaFa ety an-tany sahady, misantatra ny lanitra       
2-Nafoiko ho sakafonareo, ny nofoko fihinanareo   Ny Rako hanalàna ny ota, no antoky ny fiainanareo   Ny fonareo tsy hangorohoro, ny sainareo ho tony dia tony   Fa fiadanako sahady, no efa ao anatinareo
3- Fa toy ny mpirahalahy, mahay mifandefitraHo mpianakavy tafaray anaty vala tokanaFa Tompo iray no nahary, fa Zanaka iray no namonjyFanahy iray no mankahery, miombona fiadanana
 
 
Nampiditra sonwin
Sokajy Fiadanana
Fihirana Vaovao p. 208
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0139