Mifankatiava Ianareo

1- Isika vory eto izao
No ho mpirahalahy mian’ala
K’izaho anie ho tokinao
Ianao kosa ho tokiko.

 

FIV: Mifankatiava e, mifankatia
Mifankatiava ianareo
F’izay no hahalalana fa mpianatro
Raha mahay mifankatia

 

2- Isika vory eto izao
No ho toy ny rano sy vary
Ka na antsaha na antanana anie
Tsy hifanary, tsy hifandao

 

3- Isika vory eto izao
No ho trano atsimo, avaratra
K’izay tsy mahalena ihany anie
No ndeha hialofantsika

Nampiditra oliana
Sokajy Hiran-damesa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202