Mba lehibe ry Tompo Andriamanitra ô
Ny asanao e ety aminay ety!
(indroa)
1. Lehibe sady mahatalanjona ny asanao
Ry Tompo Andriamanitray heni-pahefana
Fa marina sy mahitsy ny lalanao
Ry Tompo Mpanjaka tokan’ny firenena
2. Fa iza no tsy hatahotra anao, ry Tompo?
Mba zovy hoe ny tsy hanaja ny anaranao?
Ianao manko no hany masina Andriamanitra ô
Ka ho avy ny firenena sy ny isam-poko
3. Hiankohoka sy hitsaoka anoloanao
Fa efa niseho tokoa fa mpitsara Ianao