Ny voaary manontolo

Sasinkira :
Ny voary manontolo
Dia samy miandry fatratra
Ilay andro hanehoan'Andriamanitra
Ny voninahitra natokany
ho an'ny zanany rehetra
(Rm. 8, 19.20) 

(Dan. 3, 58-75)

1- Anjelin'ny Tompo : isaory ny Tompo
Ry lanitra ambony : isaory ny Tompo
Ry rahon'ny lanitra : isaory ny Tompo
Ry herin'ny tafika : isaory ny Tompo

2- Masoandro amam-bolana : isaory ny Tompo
Ry kintan'ny lanitra : isaory ny Tompo
Ry ando aman'orana : isaory ny Tompo
E rivo-mahery : isaory ny Tompo

3- Hain'andro sy afo : isaory ny Tompo
Fanala sy hatsiaka : isaory ny Tompo
Ry ando aman'erika : isaory ny Tompo
Ry rano sy havandra : isaory ny Tompo

4- Fanala sy zavona : isaory ny Tompo
Antoandro sy alina : isaory ny Tompo
Mazava sy maizina : isaory ny Tompo
Ry raho-mamiratra : isaory ny Tompo

5- Ry tany tontolo : isaory ny Tompo
Tongava hihoby : isaory ny Tompo
Ry vohi-mideza : isaory ny Tompo
Havoa-mavamavana : isaory ny Tompo

Nampiditra admin
Sokajy Fidirana
Ankalazao ny Tompo p. 174
Fihirana Dera p. 208
Fihirana Hasina p. 277
Fihirana Vaovao p. 135
Vavaka sy Hira p. 416
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236