Arotsahy re, ô ry lanitra ô
Arotsahy re, ô ry lanitra ô,
ny andonao mpamelombelona ;
mba iraho re, Andriamanitra ô,
'Lay Zanakao mpamonjy anay.
1- Aza tafahoatra ny hatezeranao,
aza dia tsaroana ny helokay, ry Tompo ;
I Siôna anie, ry Tompo, zary efitra,
'Lay Jerosalema nankalazana Anao.
2- Rakotry ny ota ka menatra izahay,
entin-drendrarendra toa ravin-kazo maina ;
fa ny tavanao, ry Tompo, dia nafeninao,
ka ny helokay no sisa anjaranay.
3- Mba jereo, ry Tompo, ny fahorianay,
ka iraho hatrany ilay halefanao,
ny Mesia Zanak'ondry sady Tomponay :
Izy no hamaha ireto fatotray.
4- Mionòna ihany, ô ry vahoakako,
efa mby akaiky ny famonjena anao ;
dia nahoana re no ory toa mamoy fo?
'Zaho anie no Tompo Andriamanitrao.
Nampiditra Bariry
Fihirana Dera p.
102
Fihirana Hasina p.
55
Fihirana Vaovao p.
19
Vavaka sy Hira p.
663