Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Ny hasinao handravaka ny fiainanay, ry Tompo ô
Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Mitalaho manantena famonjena
Tsotra ny fiteninay raha miresaka Aminao
Hamasino izahay vahoakanao
Ô ry Ray malalanay, mba henoy ny vavakay
Vavaka asandratray tsy tapaka
Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Mafy anie ny lalana izoranay, ry Tompo ô
Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Iray fo ao aminao Rainay