Fiv : Ry Fanahy nomena anay,
mampiray ny tenanay
amin'ny ain'i Kristy.
1- Ny asanao no ahalalana
fa i Jesoa Tomponay
Nietry tena hanompo anay
dia Andriamanitra tokoa.
2- Noho ianao nomena anay re :
tonga zanaka izahay;
'zao Ianao fanahinay
mampifankatia anay.
3- Herinao no mampandre
ny eo anivom-pijaliana
hafaliana latsa-paka
'zay manentana hitraka.
4- Bitsikao no manazava
'Zay miseho amy fiainanay
ka ahafahanay mandray
'zay lazain'i Jesoa anay
5- Aminao no loharano
isotroanay dieny izao
haravoana sy hafaliana
santatr'ilay any aoriana