Faingàna, rey olona

Nampiditra: tywa68
Sokajy: Noely,


  • Vavaka sy Hira p. "667
  • Fihirana Hasina p. "62
  • Fihirana Dera p. "106
  • Fihirana Vaovao p. "387


Faingàna, rey olona, hanatona an'i Jesoa
'Zay fanazavàna ny fanahintsika.



1. Tonga ny Mesia, ilay Tompon'Aina,
Koa mba manatòna ny Mpamonjintsika.
 
2. Indro ny anjely faly sy variana,
Ka mihoby azy any an-danitra any.
 
3. Mahafatifaty ilay Zazakely
teraka any an-tsaha any Betlehema.
 
4. Izy no namorona tany aman-danitra,
Ka ny tranon'omby no trano fidiny.
 
5. Mampangorakoraka ny fanetren-tenan'
Ny nanao antsika tonga namantsika.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0554 s.] - Hanohana anay