Efa teraka ao Betlehema (Betilehema)

Fiv : Efa teraka ao Betlehema
I Jesoa Zanak'Andriamanitra ;
Efa teraka ao Betlehema
Derao ny Mpanavotra antsika.
 
 
1 - Mba jereo, ry kristianina, 'lay Zazakely mitomany ;
Mba jereo, ry kristianina, ny manjò an'ny Tompontsika.
 
2 - Ny fitoerana nofidiny dia ny tranon'omby ratsy,
Ny fitoerana nofidiny mampitsetra ny fo rehetra.
 
3 - Inona no tokony hoentintsika ho an'i Jesoa Zazakely,
Inona no tokony ho entintsika, inona moa raha tsy ny fo ?
 
4 - Omenay Anao ry Jesoa, ny fonay sy ny tenanay ;
Omenay Anao ry Jesoa, raiso ny fanomezanay.
 
5 - Mankanesa amin'i Jesoa, ry mpanjaka avy atsinanana,
Mankanesa amin'i Jesoa, hanome Azy fanajana.
 
6 - Anao ny fahefan-drehetra, ry Jesoa Tompo maminay e.
Anao ny fahefan-drehetra, manjakà aminay Ianao.

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 105
Fihirana Hasina p. 61
Fihirana Vaovao p. 386
Vavaka sy Hira p. 665
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801