Voninahitra anie ho an'Andriamanitra - Voninahitra anie tena tsy misy farany

Fiv :

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra,
Fiadanana anie tena tsy misy farany ;
Fiadanana anie mandrakizay
Ho an'ny olona tsara sitrapo.

1 - Midera Anao 'zahay, mankalaza Anao 'zahay,
Ianao 'zay nahary an'izao tontolo izao :
Mihoby Anao hatrany ny tany aman-danitra
Noho ny haben'ny voninahitrao.

2 - Ry Jesoa Tomponay, ry Zanaky ny Ray,
Manala ny fahotan'ny olona :
Mitsaoka Anao 'zahay, misaotra Anao 'zahay
Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra.

3 - Ianao irery ihany no tena Avo indrindra,
Ny haja anie ho Anao tokoa
Miaraka amin'ny Ray 'zay any an-danitra
Sy ny Fanahy Masina mandrakizay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Voninahitra
Fihirana Dera p. 260
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0082