Fiv :
Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra
Loharanom-pitiavana,
Fiadanana, hafaliana ho an'ny olombelona
'Zay tsara sitrapo e.
1 - Midera Anao 'zahay,
mankalaza Anao, ry Ray,
Ry Tompo Andriamanitra ô :
Mitsaoka Anao 'zahay
sy mihoby ny hasinao
Misaotra Anao 'zahay e.
2 - Ry Jesoa Tomponay ô,
ry Zanaky ny Ray,
Ry Tompo Andriamanitra ô :
Mamindrà fo aminay,
fa Ianao no Zokinay,
Afaho ny helokay e.
3 - Ianao no avo indrindra,
ry Jesoa Tomponay,
Ianao re no Masina
Ankavanan'Izy Ray,
miaraka amin'ny Fanahy
Ka omena fiderana.