Voninahitra ho anao e, ry Tompo Andriamanitra mahefa

Fiv : Voninahitra ho anao e
Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e
Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona
‘Zay namindrany fo
Fa nanehoany ny fitiavany
Voninahitra
 
1. Midera anao izahay
Mankalaza anao izahay
Mitsaoka anao, misaotra anao
Mihoby ny hasinao ‘zahay
Ry Tompo Andriamanitray mahery
Voninahitra

2. Ry Jesoa Kristy Tompo
Zanaka lahitokan’ny Ray
Zanak’ondrin’Andriamanitra,
Manala ny fahotana
Mamindrà fo aminay
mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Raiso ny fifonanay

Fiv : Voninahitra e e ia Voninahitra e e ia

3. Anao zaraiky nomasiny e
Anao zaraiky no Tompo
Anao zaraiky no anabo indrindra
Ry Jesoa Kristy
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny voninahitra
Ao amin’ny voninahitra
Andriamanitra Ray AMEN
 
Voninahitra e ia, voninahitra e e ia
Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Karine Dera p. 462
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009