HIRA FANEVA FAHA-155 TAONA EKAR ANOSIVAVAKA

1- Ry Ray Zanaka Fanahy Masina ô!
Misaotra Anao 'zahay
155 Taona izao, noho ny Fitsimbinanao
Nomenao anay ny Anjely Mpiambina
Ho Mpiaro anay isan'andro
Ho mpitari-dàlana anay
Amin'ny Finoana

Fiv:
(Misaora) Misaora ny Tompo ry Fanahiko
Aza manadino ny soa Nataony,
Fa Fitiavany tsy mety ritra
No niorenan'ny Fiangonana

2- Omeo anay finoana tsy ho resy
Ampian'i Masina Maria
Hampitombo ny Fahamasinana
Ho Evanjely velona
Ho iraka mpitondra fiainana,
Hizara Hafaliana isan'andro
Ho Kristianina, mandray andraikitra
Mavitrika! Mahafohy tena
Nampiditra Tiasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0203