Ny zanaky ny Ray tokana tiany indrindra

1-Ny zanaky ny Ray tokana tiany indrindra
Nietry sy nanaiky hatramin'ny fahafatesana
Hamerenana indray ny endrik'izao tontolo izao
Amin'ny fahamendrehany izay rava noho ny fahotana

Fiv: Tsy hain'ny Ray ny tsy hanatsotra izany tanany
Fa voaetry loatra mantsy ilay tiany
Ka nobatainy miaraka amin-janany izao tontolo izao
Mba ho voninahitry ny anarany
Fa ny fahafahan'ny zanak'olombelona
No voninahitr'Andriamanitra fitiavana
I Jesoa mpanavotra teo am-panolorana ny ainy
Dia nanolotra antsam-piderana ho an'ny Ray
Rava tamin'izay ny hantsana nampisaraka ee
Nampisaraka ny lanitra sy tany
Ny olombelona tsy ampy hery mba hitiavana
Afa-mahalala sy mitia ny Ray (Bis)

2-I Jesoa mpanavotra eo ambony hazofijaliana
Nidradradradra nitaraina tamin-dranomaso
Hitsaboana ireny rofy mamehy ny olombelona
Mety alaim-panahy hanary ny anaram-piandrianany
Nampiditra solofoemilien
Sokajy Karemy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0092