(vavaka) Tokim-panompoana - Filan-kevitra (Diosezy Antananarivo)
Izaho... ... ...
(samy manonona ny anarany ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny birao)
dia manome toky fa hanatanteraka araka izay tratry ny aiko
ny adidy ankinin'ny Fiangonana Katolika amiko,
araka ny fampianaran'ny Evanjely
sy ny lovam-panahy ifandovàna ato anivon'ny Fiangonana Katolika
Ho mpiara-miasa mahatoly amin'ny Pretra,
ka hanaraka ny fandaminana rehetra ato amin'ny Fiangonana
sy hanatanteraka izany, dia:
- ny hanompo sy hanasoa ny vahoakan'Andriamanitra tsivakivolo
- tsy hitady tombon-tsoa manokana,
fa hahafoy tena
sy hiaro toy ny anakandriamaso ny finoana katolika
sy ny foto-pampianarana ato amin'ny Fiangonana.
Ny fahasoavan'Andriamanitra anie hanampy ahy amin'izany.
Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. AMEN