Andeha isika, ombao ny lalana

Andeha isika, ombao ny lalana
Mankany Jerosalema;
Andeha hamelatra ny fiainana,
Mba hitsenana ny Tompontsika.
Fa i Jesoa tsy nilavo lefona,
Hanao sorona ny fiainany;
N'lalankodiavina omankomanina fa tamy izy e;
Ihantsikantsiho ny latsitanana fa tamy izy e.

1. 'Zao no nohafarany tamin'ny mpianany
Rehefa akaiky i Jerosalema:
Ndeha ianareo mialoha làlana ahy,
Manketsy amin'ny vohitra tazana itsy.
Ao an-tanàna ao misy ampondra,
Mbola ao am-patorana ao izy izay;
Mirao-bilona akaikiny eo,
Zanak'ampondra miriorio.
Vahao ny reniny ho afa-patorana,
Entonareo izy mankatý.
Ary raha misy be fanontany,
Ka te hanadinkadina anareo,
Misy ilan'ny Tompo azy, ka lazao izy e.

2. 'Zao no nohafaran'ny mpaminany,
Raha atao ohatra ry Izaia;
Izao no voalazan'ny mpaminany,
Raha toa tanisaina ry Zakaria:
Indro ny Tompo Manjakanao
Ry zanakavavin'i Siôna,
Mailaka ianao amin'ny totorebika,
Hatramin'izay faran'ny herinao.
Ho avy ny Tompo Mpanjakanao,
Ho avy mitaingina ampondra izy;
Izay koa no hafatra famantarana
Eo imasonao, ry Jerosalema.
Hobio ny Tompo Mpanjakantsika, fa tamy izy e.

3. Misy ilan'ny Tompo antsika,
Fa tsy adaladala ny Tompontsika;
Misy ilany ny ambanilanitra,
Tsy ny olon-tsotra no atositosiny.
Dinidiniho àry izay mamatotra
Ny fontsika hanavakavaka;
Dinidiniho koa ny vela-pandrika
Amingampinganana ny olon-bodo.
'Reny rehetra ireny mbola horesena,
Halan'ny Tompo Mpanjakantsika.
Ary raha misy malai-fonosana
Tsy avy hitsena ny Tompontsika;
Misy ilan'ny Tompo antsika, lazao izy e.
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 756
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079