Voninahitra anie ho anao ry Tompo Mpahary (Morondava)

Voninahitra anie ho Anao ry Tompo Mpahary :
Ianao Andriamanitra ô, no Masina indrindra
Fiadanana ho antsika olombelona notiaviny
Fa nanehoany ny fara-fitiavany

1- Midera anao izahay e
Mankalaza anao izahay e
Mitsaoka mihoby ny hasinao izahay e
Misaotra Anao ‘zahay e
Ry Tompo Andriamanitra ô

2- Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra ô
Ry Tompo Andriamanitra
Manala ny fahotan’ny olona Ianao
Afaho ny helokay e!
Ry Jesoa zokinay e!

3- Ianao irery no avo indrindra
Ry Tompo Andriamanitra
Ny haja sy ny voninahitra
Ho Anao mandrakizay e
Ry Tompo Andriamanitra ô
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2374