Ndreto zahay ry Tompo

1-Ndreto zahay ry Tompo ô. Mitondra fanatitra ho Anao
Dia ny mofo vokatry ny asanay, Ka mba raiso raha sitrakao!
Mba ovao ho vatana, Ho vatan’i Jesoa Kristy
Ho sakafo mahay mampiray anay sy ankahery anay!

2-Ity divay sy rano kely, Ranom-boalobokin’ny sahanay
No inty atolotray ho Anao, Ka mba raiso raha sitrakao!
Mba ovao ho Ràny Zanakao, Ilay Rà zay nalatsany ho anay
Ka ahafoiny eto indray izao, Hamonjy anay mandrakizay!

3-Ny tenanay sy ny herinay, Ny ezakay ary ny asanay
Atolotray amy fo tontolo, Ka mba raiso raha sitrakao!
Mba ovao ho sorona, Ho famonjena anay
Hiadam-pinaritra ny fanahinay, Ho sambatra hanompo Anao!
(Marcel Rasamy)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097