Atolotro anao, Andriamanitra ô
1 Atolotro anao, Andriamanitra ô,
Atolotro ny tenako rehetra ;
Omeko anao ho varo-tsy mifody :
Ry Tompo ô, raiso re raha sitrakao.
 
Mba raiso na tsy mendrika aza,
Mba ho anao mandrakizay.
 
2 Izaho anefa olona mpanota
Ny sitrapo malemy sady osa ;
Kanefa re matoky ny fonao :
Ry Tompo ô, ianao no heriko.
 
3 Mba sambatra aho fa manompo anao,
Ny heriko natokako ho anao ;
Hatramin’ny fara fofon’aiko,
Ry Tompo ô, tsy hivadika aminao.
 
                    Nampiditra tywa68                
                                        
                    Sokajy                                                                    Fanolorana                                    
            
                            
                            Fihirana Dera p.
                            74                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            170                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            367                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            732                        
                                    
