Izao no nohafaran'i Jesoa Kristy

(Ap 4, 11; 5, 9-10. 12, t. 119/ na Jo 1. 6-9)

1. Izao no nohafaran'i Jesoa Kristy,
Ka ambara anareo fa izahay no nandre:
Andriamanitra dia Fahazavana
Tsisy haizina akory ao aminy.

Fiv: Ny Ran'i Jesoa Zanak'Andriamanitra no manadio antsika.

2. Raha toa, sanatria, ka milaza isika
Fa hoe miombona amin'ny Tompo Andriamanitra
Nefa isika mandeha amin'ny maizina
Dia mandainga, tsy manao ny marina.

3. Fa raha ny mazava no izorantsika
Toa Azy ao anaty Mazava hatrizay.
Dia miombona isika samy isika.
Ary diovina amin'ny fahotan-drehetra.

4. Raha toa, sanatria, ka milaza isika
Fa hoe tsy mba manana fahotana mihitsy.
Dia izany no mamita-tena,
Ary tsy ao amintsika ny marina.

5. Fa raha miaiky heloka kosa isika,
Mahatoky sy marina lzy Tompo Andriamanitra,
Ka hamela ny fahotantsika
Sy handio ny hadisoantsika.
Nampiditra Bob Ramananamiraka
Sokajy Tononkira
Ankalazao ny Tompo p. 296
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0425