Tsy ny asa andidian'ny lalàna no anamarinana ny olona
TONONKIRA (Dan 3, 26-41)
Sas: Tsy ny asa andidian'ny lalàna no anamarinana ny olona.
fa ny finoana an'i Jesoa Kristy. (Gal2, 16)
1 Koa isaorana lanao, ôry Tomponay:
Andriamanitrireo razanay lanao,
Ary mendrika dera ny Anaranao,
Ka omem-boninahitra ho doria!
2 Eny, marina lanao amin'ny Asanao,
Dia ireo izay nataonao taminay.
He nanota izahay fa nandao Anao.
Toy ny an'ny tsy mpino ny asanay.
3 Hadisoana tokoa re no vitanay!
Nefa noho ny amin'ny Anaranao,
Aza ilaozana mandrakizay izahay,
Aza foanana koa re ny Fanekenao.
4 Aza alàna aminay ny Fitiavanao,
Noho i Abrahama sakaizanao,
Ary noho i Isaaka mpanomponao,
Mbamin'i lsraely ilay maminao.
5 Fa nomenao fampanantenana ireo,
Dia ny hahamaro isa ireo taranany
lzay ho tahaka ny kintana eny an-danitra,
Sy ny fasika amoron'ny ranomasina.
6 Indro kely dia kely izahay, ry Tompo,
Raha mitaha amin'ireo firenena hafa,
Sy voaetry amin'ny tany rehetra koa,
Noho ireo fahotana nataonay.
7 Tsy mba manam-pifehy izahay izao,
Na manam-pahefana na mpaminany,
Na mba sorona dorana na fanatitra,
Na mba emboka manitra kely akory.
8 Tsy mba misy toerana halehanay
Hitondrana ny voaloham-bokatray.
Ka hanaterana azy anatrehanao,he
Hahazoanay sitraka avy aminao.
9 Nefa raiso ny fonay izay torotoro,
Ary koa ny fanahinay mietry tena,
Ho toa sorona ondry aman'ombalahy,
Sy ho toa zanak'ondry matavy arivo.
10 lzany sorona ataonay izany anie,
Amin'izao andronay ankehitriny izao,
Hahitanay fitia anatrehanao;
lzay mitoky aminao tsy mba azon-kenatra.
11 Koa dia amin'ny fonay tokoa izahay,
No manjohy sy manaraka Anao izao,
Ka matahotra Anao sy manaiky Anao
Sady manina hahita ny Tavanao.
12 Koa ny Ray izay mangoraka ireo mivalo
Sy ny Zanaka sorona ho solo heloka,
Ny Fanahy mahaòva ny aty fo
No ndeha hoderaintsika, ô ry mpino.
Sas: Tsy ny asa andidian'ny lalàna no anamarinana ny olona.
fa ny finoana an'i Jesoa Kristy. (Gal2, 16)
1 Koa isaorana lanao, ôry Tomponay:
Andriamanitrireo razanay lanao,
Ary mendrika dera ny Anaranao,
Ka omem-boninahitra ho doria!
2 Eny, marina lanao amin'ny Asanao,
Dia ireo izay nataonao taminay.
He nanota izahay fa nandao Anao.
Toy ny an'ny tsy mpino ny asanay.
3 Hadisoana tokoa re no vitanay!
Nefa noho ny amin'ny Anaranao,
Aza ilaozana mandrakizay izahay,
Aza foanana koa re ny Fanekenao.
4 Aza alàna aminay ny Fitiavanao,
Noho i Abrahama sakaizanao,
Ary noho i Isaaka mpanomponao,
Mbamin'i lsraely ilay maminao.
5 Fa nomenao fampanantenana ireo,
Dia ny hahamaro isa ireo taranany
lzay ho tahaka ny kintana eny an-danitra,
Sy ny fasika amoron'ny ranomasina.
6 Indro kely dia kely izahay, ry Tompo,
Raha mitaha amin'ireo firenena hafa,
Sy voaetry amin'ny tany rehetra koa,
Noho ireo fahotana nataonay.
7 Tsy mba manam-pifehy izahay izao,
Na manam-pahefana na mpaminany,
Na mba sorona dorana na fanatitra,
Na mba emboka manitra kely akory.
8 Tsy mba misy toerana halehanay
Hitondrana ny voaloham-bokatray.
Ka hanaterana azy anatrehanao,he
Hahazoanay sitraka avy aminao.
9 Nefa raiso ny fonay izay torotoro,
Ary koa ny fanahinay mietry tena,
Ho toa sorona ondry aman'ombalahy,
Sy ho toa zanak'ondry matavy arivo.
10 lzany sorona ataonay izany anie,
Amin'izao andronay ankehitriny izao,
Hahitanay fitia anatrehanao;
lzay mitoky aminao tsy mba azon-kenatra.
11 Koa dia amin'ny fonay tokoa izahay,
No manjohy sy manaraka Anao izao,
Ka matahotra Anao sy manaiky Anao
Sady manina hahita ny Tavanao.
12 Koa ny Ray izay mangoraka ireo mivalo
Sy ny Zanaka sorona ho solo heloka,
Ny Fanahy mahaòva ny aty fo
No ndeha hoderaintsika, ô ry mpino.