Matokia ianareo, fa Izaho Kristy efa naharesy an'izao tontolo izao. (Jo 16, 33)
TONONKIRA (|z 42, 10-16)
Sas: Matokia ianareo, fa Izaho Kristy
efa naharesy an'izao tontolo izao. (Jo 16, 33)
1 Mandredòna hira vao ho an'ny Tompo!
Koa samia midera Azy
Avy any am-para-Vazan-tany any
lanareo tandranonmasina sy izay anatiny ao,
lanareo, ry nosy maro sy ny mponiny rehetra.
2 Aoka samy hanandra-peo ny tany efitra
Sy ny vohitra ao aminy,
Mbamin'ny toby izay onenan'i Kedara
Ny mponina any Ankaram-bato aoka hihobin-karavoana;
Ny any an-tampon-tendrombohitra, hihora-pifaliana!
3 Eny, aoka anie ireny hanome
Voninahitra ny Tompo,
Ary hampanakoako fiderana,
Dia fiderana Azy any amin'ny nosy maro!
Fa ny Tompo indro avy toy ny lehilahy mahery.
4 Dia fohaziny ny firehetam-pony
Toy ny lehilahy mpiady.
Miantsoantso mafy izy sy mandrahona,
Ary indro fa miroso manoloana fahavalo,
Toy ny lehilahy mahery feno herim-po tokoa.
5 "Efa hatry ny ela aho no nangina onens
Nikombom-bava tsy niteny
Sy nanindry koa ny foko tsy hitroatra.
Fa izao dia mitaraina toy ny olo-mihetsi-jaza,
Misefosefo sady sempotra tsy avy miaina aho.
6 Ny tendrombohitra rehetra sy havoana
Horavako avokoa;
Ny zava-maitso rehetra eny, ataoko maina,
Ary ny ony hampanjariako tora-pasika makiana,
Moa ny dobo sy kamory horitraiko mba ho maina.
7 Amin'izay dia hotarihiko ny jamba
Hankamin'ny lalana tsy fantany;
Hampizoriko amin'ny lalana tsy hainy;
Ny haizim-pito hataoko tonga hazavana ho azy ireo,
Ny korontam-bato kosa hanjary lalana mahitsy.
7 Voninahitra ho Anao, ry Ray,
llay Tompon'ny tantara
Amin'ny fiainan'olombelona rehetra,
Dera anie ho Anao, Jesoa, llay nandresy ny haratsiana;
Dera anie ho Anao, Fanahy, mpanova sento ho hafaliana.