Ry Md Josefa

Fiv:Ry Masindahy Josefa Ray Mpiaro anay
Ray Mpiahy anay, malalanay.
Mivavaha ho anay ry Mpiahy anay
Ray Malalanay, mpiaro anay

1-Niahy ny zanak'Israely i Josefa zanak'i Jakoba
Fambaran'i Josefa taranak'i Davida
Fambaran'ilay Josefa izay niahy ny zanak'Andriamanitra
Dia i Josefa Mpiaro anay e.

Ie ohatra ho anay ianao à , Ô Ry Josefa
Ray Mpiaro anay Ianao à , Ô Ry Josefa
Matoky Anao 'zahay à , Ô Ry Josefa
Mivavaha ho anay Ianao à

2-Olon-tsotra sy mato-tsaina
Olon-kendry no voatendrin'ny Tompo
Hikarakara ny ankohonany.
Olo-marina toa an'i Josefa no tadiavin'Andriamanitra
Mba hanankinana ny fanabeazana ny Zanany

Ie ohatra ho anay ianao à , Ô Ry Josefa
Ray Mpiaro anay Ianao à , Ô Ry Josefa
Matoky Anao 'zahay à , Ô Ry Josefa
Mivavaha ho anay Ianao à

3-Raha Andriamanitra aza matoky Azy, mainka isika zandrin'i Jesoa
Hametraka ka ny ho avy an-tanan'i Josefa
Raha Andriamanitra aza matoky Azy, mainka isika zandrin'i Jesoa
Hametraka ka ny ho avy an-tanan'i Josefa

Ie ohatra ho anay ianao à , Ô Ry Josefa
Ray Mpiaro anay Ianao à , Ô Ry Josefa
Matoky Anao 'zahay à , Ô Ry Josefa
Mivavaha ho anay Ianao à

Fr Jean-Marie RAKAMISY (FDC)
Nampiditra Bob Ramananamiraka
Sokajy Md. Josefa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089