TENINAO TOMPO Ô ! MASIÑY SY MAHERY (ATPM)

Teninao Tompo ôô : Masiñy sy Mahery
Teny mameloño anay : ka raisinay am-pitiavaña éé !
Teninao Tompo ôô….

Teny Masiñy sy Mahery, nampisy ny raha jiaby
Teny Fitiavaña tonga nofo : ka raisinay am-pitiavaña éé !
Teninao Tompo ôô….

Teny fitiavaña tonga nofo, niara-noniñy taminay,
Mba hanavotra anay mpanota, Ka raisinay am-pitiavaña éé !
Teninao Tompo ôô….

‘Zany ny Teninao ô, ry Tompo ô : Raisinay am-pitiavaña éé !
Azonay Tenin-Jañahary, ampiaharinay amy fiaiñanay é ia !
Afafinay amin’olo jiaby, toriana amy tany tontolo ô ia
Zarainay amy namanay, torianay amin’ireo migadra é ia !

‘Zany ny Teninao ô, ry Tompo ô : Raisinay am-pitiavaña éé !
Inoanay Tenin-Jañahary, fa teny nahavita ny raha jiaby éia !
Hananganaña antsika amy maty, manafaka antsika amy fangejaña éia !
Nanosotra antsika hitory Azy, hankahery ny torotoro fo ô ia !

‘Zany ny Teninao ô, ry Tompo ô : Raisinay am-pitiavaña éé !
Tenin’ny Tompo : Teny fitiavaña, teny maharitra mandrakizay éia !
Manoro antsika amy lala-marina, lala-marina mankany amy Ray éia !
Maharesy ny fakam-panahy, ho entintsika manohitra ny ratsy éia !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0178