Nitady olo-mahatoky Andriamanitra(ATM / Pr. RANDRIAMAHITA Pierre)

1- Nitady olo-mahatoky Andriamanitra anohizany
Anohizany ny asam-panafahana ny babo amin’izao tontolo izao
Ianao Jean de Matha Rainay no nanoina ny antso
Hataonay fiainana e, ny hafatrao Ray Malalanay (2x)
 
Ny hanome voninahitra ny anaran’Izy Trinite Masina
Amin’ny fanafahana ny babo, no hanirahan’i Jean Raintsika
Hitondra teny soa mahafy amin’ny mahatra
Hampandre ny babo fa afaka
Sy ny an-tranomaizina fa halefa
 
Tsy andraraka ilo mby an-doha izahay ry Jean Ray malalanay
Fa ny vavakao no antenainay hahatondranay ny hafatrao
Tsy andraraka ilo mby an-doha izahay ry Jean Ray malalanay
Ka ny fanafahana no hiainanay
Tsy hisandohanay ny anaranao
 
2- Izao tontolo iainantsika izao mangetaheta fahafahana
Ka miantefa amintsika izao indray ny antso hoan’ny fahafahana
Ireo izay verezinjo ka tsy lalaina intsony ny mahaololma
Ho an’izy ireny no hamoizantsika izao rehetra izao
 
Ny hanome voninahitra ny anaran’Izy Trinite Masina…..
 
Tsy hahita toerana hilantoana aho raha tsy eo ny fahafahana
Mety ho fongotra izay hananana, tsy hikemo amin’izany isika
Raha mbola misy izay gejaina tsy hitoetra na hangina isika
Mety hamoizana hatramin’ny aina anie
F’izay no maha-Mpaminany antsika a
Nampiditra PVST
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2768