Ry olomasina Jean de Matha (TRINITERA)

 
Ô ry Ray Andriamanitray zay mpamorona sady mampisy
Faly izahay ka miderana Anao e e
Fa nanangana ilay andrarezinay olomasina sy olo-mahitsy
Nanorina fiainana vaovao e e
Namakivaky taonjato maro, ‘lay afom-pitiavana sy fanasin’ny tany
Ny ory sy ireo nandevozina, nanjary olon’afaka avy hatrany
Tsy misy fitiavana sahy manompo raha tsy miaina amin’ny fahafahana
Fa tsy maintsy olon’afaka sahy mijoro zay vonon-kanompo amin-kahalalana e
 
Ka misaotra re,
Ry olomasina Jean de Matha, ilay andrarezina sy mpanorina
Ry olomasina Jean de Matha, ry Ray mpanorina sy mpanafaka
Masina Ianao Andriamanitray, noharianao ho afaka izahay
Hivelona miaina amin’ny fahamarinana e
Tsy handevozin’ny tombotsoa e, ny lainga sy vola, harena koa
Ny fitiavan-tena sy ny ara-nofo ô ô
Ry olomasina Jean de Matha, Ianao no filamatry ny andronay
Ry olomasina Jean de Matha ô ô ; Ianao no fanilon’ny fiainanay
 
Nampiditra PVST
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1273