Masin-dahy Pio, mpiaro ny eglizinay

1-Masindahy Pio o

Mpiaro ny eglizinay

Tia vavaka sady Rain’ny fibebahana izy e

Mivavaha ho anay

 

Isaoranay ilay Tompo Zanahary

Nifidy anao ho rain’ny mpino o

Nitondra fibebahana sy nizara fahasoavana ho an’ny olon-drehetra

Ianao ilay sakaizan’ny tanora

Misaotra eee misaotra ee (eny isaoranay i eee )

 

2-Ravoravo sy mirehareha zahay e

Noho ny fitondranao ny fery dimin’i Jesoa

Sy nahazo anay ilay Lamba Masina, nisy Rà nivoka tamin’ny Feo

Zay mitondra fitahiana ho anay

              

3-Masindahy Pio Ray malalanay

Mpiandr’ondry tia fianarana sy be herim-po

Misedra olona maro nefa niroso hatrany

Nijaly sy ny haritra ny mafy izy e

Noho ny fanarahan-dia an’i Kristy

 

4-Maro ny fahagagana nafafinao o

50 taona nizara Sakramentan’ny fampihavanana

Nahafoy ny Tenany ho an’ny hafa

Mendrika alain-tahaka     

 

Nampiditra Didila
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0994