Masindahy Piera (T. Albert)

Md Piera e e e, lelahy Hébrio
Avy ny Betsaida, fizaran-tanin’ny Galiléa
Tao no teraka izy, Simona no anarany
Zanaky lelahy atao hoe Joany
 
Ny rahalahiny e e e, dia Md André
Samy mpianatr’i Jesoa daholo
Mpanarato no asa ivelomandreo
Tao amin’ny farihy Genezereta
 
Tompo no nanova anarany hoe Piera vato
Mpanarato mahay izy ireo
Ka hoy ny Tompo taminy
Aza matahotra foana ianao Simona Piera
Fa amin’ny sisa, ataoko mpanarato olona
 
Avia e, manaraka ahy
Avia e, manaraka ahy areo
 
Niaraka ireo naharegny izegny
Dia navelandrô ny asandrô
Tonga dia nanaraka azy tsy nisalasala
 
Hoy ny Tompo ô tamin’i Piera
Mba ahoana no fiheveranao ahy ?
Ianao no Kristy, zanak’Andriamanitra velona
Hoy Piera taminy
 
Sambatra e e ianao, ry Simona zanak’i Joany
Satria tsy nofo aman-dra no nilazany taminao
Fa ny Raiko izay any an-danitra
Fa izao kosa no lazaiko aminao
 
Ianao no Piera vato
Ambonin’io no anorenako ny fiangonako
Ny vavahadin’ny afobe tsy handresy azy
 
Ary omeko anao ny fanalahidin’ny lanitra
Izay rehetra hovoavahanao ety antany
Dia ho vahana koa any andanitra
Zegny no fampanantenana lehibe
 
Avy amin’ny Tompo, ho an’i Piera
Nampiditra Didila
Sokajy Olomasina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107