Ry Ray niandohana sy hiafarana

Ry Ray niandohana sy hiafarana ô,
Ry Kristy efa eo anilan’ny Ray ô:
Mba aniraho ny Fanahy re izahay,
Mba aniraho ny Fanahy re izahay

1.  Ao anivon’ny haizim-pito izahay ô : miraparapa:
     Aniraho ny Fanahy Mpanazava re izahay !

2.  Mora kivy koa izahay satria ô, nofo aman-drà:
     Aniraho ny Fanahy Mpampionona re izahay

3.  Izahay vavolombelon’ny Tompo, be mpisompatra:
     Aniraho ny Fanahy Mpankahery re izahay !

4.  Efa tranon-dainga tokoa ilay mpiampanga any mpino:
     Aniraho ny Fanahy Mpisolovava re izahay !

5.  Entina amin’ny fitsarana ‘zahay mino an’i Kristy :
     Aniraho ny Fanahy Mpanolo-tsaina re izahay

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fanahy Masina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856