Agnao ro Mofo tegna Aigna

Agnao ro Mofo tegna Aigna
Tsa ho noana tsa hangetaheta 
izay magnatogna Anao e
Magnatogna am-pinoana

Minoa, hoe ny tarogny e (X2)
Sitrapon'ny Ray, Sy nagniraka anay
Mianagna anareo miaigna 
Zy handresenareo ny fasagna

Agnao ro mofo mampihavagna amin'ny Ain-janahary e
Ampianaro anay ny fitiavan-dRay

Agnao ro mofo mampiaigna
Ranao sy Tegnanao 
Ro mamelogana tsa miegnina
Mamelogna ny Fiangonana

Matokia, oe tarogny e (X2)
Zay mihinana Ahy sy misotro ny rako
Ro tombo ohatsa Aminahy
KOa mamindra tsy amin-tahotsa

Agnao ro Mofo mampitraoka ny vazan-tany aby e
Apeo anay hahay hifanampy e

Agnao ro Mofo zara Aigna 
Matoky agnay afa-tahotsa
Na dia agnatin'ny sarotsa
Matoky f'eo Agnao

Itoy mofo toy e, hoe ny tarogny (X2) 
Tegna soa lavitsa e nohon'ny sao-drazana
Fa ny Aiko ro afoiko 
Mba hamelogna izao tontolo izao

Hiatrehanay e, hanao zy tratsanay e
Mba ho mpamelombelona amin'ny tany misy

Tompo ô misaotsa Anao e
Eko Mofo Aigna
Mampihavana amin'ny Nahary
Mampihavana amin'ny olo aby
Mampihavana anay amin'ny efa an-tagnanao

Ny finoanay fatraro 
Andraisanay Anao isan'andro
Andraisanay Anao Mofo Velona

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0519