(O Masina e) Masina Ianao Andriamanitra e !

(O Masina e)

Masina Ianao, Andriamanitra e !

(O Masina e)

Masina Ianao ry Tompon’ny lanitra ! (2 fois)

(O Masina e)

  

1-Feno ny voninahitra e

   Ny tany aman-danitra

   Hozana, hozana, hozana

Ny voaary manontolo

Mihoby ny Anaranao

Ny olombelona rehetra

Mihoby ny Anaranao

Ny Anjely sy ny Olomasina

Mihoby ny Anaranao

Hozana, hozana, hozana

(O Masina e)

 

 

2-Nohosoavina Ilay avy,

   avy @ ny Tompo

   Hozana, hozana, hozana

Ny asanay sy ny fiainanay

Mitory ny Anaranao

Ny andronay sy ny hoavinay

Mitory ny Anaranao

Ny fonay manontolo

Mitory ny Anaranao

Hozana, hozana, hozana

(O Masina e)

Nampiditra Guliano
Sokajy Masina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166