Roso tokoa re ny diantsika izao

Fiv :  Roso tokoa re ny diantsika izao

Mizotra mankany amin'izy Tompo

Falifaly aok'izany nandre ny antsony

Ka mandrosoa fa miandry antsika izy e

 

1.Andriamanitra Ray be fitiavana

Nanao fanasana ho antsika zanany

Dia i Jesoa Kristy mofo velona nozarainy

Hanavao ny tany, roso ny diantsika

 

2. Andriamanitra Ray be fitiavana

Nampihavana antsika amin'ny zanany

Dia i Jesoa Kristy, mofo velona nozaraina

Hanavao ny tany, roso ny diantsika.

Nampiditra Guliano
Sokajy Fidirana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331