Tsara ny mpirahalahy, tsara ny mpirahavavy
Tsara ny mpirahalahy, tsara ny mpirahavavy 
Raha mahay mifankatia tokoa
Tsara ny mpiray tanana
Tsara ny olon-drehetra
Raha mahay mifanao soa
Sambatra ireo izay mifankatia
Mahay mifanaraka hatrany hatrany 
Manana firaisana am-panahy e e 
Roy e e, lahy e e
Angatahintsika amin-janahary 
Fikasantsika mba ho lavorary

