Ry Ray niandohana sy hiafarana ô

Fiv :  Ry Ray niandohana sy hiafarana, ô !

Ry Kristy efa eo anilan'ny Ray, ô !

Mba aniraho ny Fanahy re izahay (in-2)

 

1.Ao anivon'ny haizim-pito izahay ô, miraparapa

Aniraho ny Fanahy Mpanazava re izahay!

 

2. Mora kivy koa izahay satria ô, nofo aman-drà,

Aniraho ny Fanahy Mpampionona re izahay!

 

3. Izahay vavolombelon'ny Tompo ô, be mpisompatra ô !

Aniraho ny Fanahy Mpankahery re izahay!

 

4. Fa dia tranon-dainga tokoa ilay mpiampanga, anay mpino ô

Aniraho ny Fanahy Mpisolovava re izahay!

 

5. Entina amin'ny fitsarana 'zahay mino, an'i Kristy ô !

Aniraho ny Fanahy Mpanolo-tsaina re izahay!

Nampiditra Guliano
Sokajy Fanahy Masina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1526