Ô ry Ray ô, henoy re izahay e

Ô ry Ray ô, henoy re izahay e
Mitalaho re Aminao ity zanakao
Miantso Anao e
Ekeo ny vavakay

Mivavaka e, Aminao zahay Ray ô
Ho an'ny Papa ny Eveka ny Pretranay
Mba ho Masina sy haharitra amin'ny fanompoana
Nambaran'ny Fitiavanao
Aminay vahoakanao 
Ekeo, Ekeo ry Tompo ny vavakay

Mivavaka e, Aminao zahay Ray ô
Ho an'ny Fiangonana rehetra maneran-tany 
Mba hiroborobo ny asam-pinoana izay atao
Ka hanjakan'ny Fitiavana sy Fiadanana
Ekeo, Ekeo ry Tompo ny vavakay

Koa mivavaka e, Aminao zahay Ray ô
Ho an'ny Firenena sy ireo mpitondra anay
Mba hikatsaka ny hampandroso ny fiainam-bahoaka
araka ny toriana sy ambaran'ny evanjely
Ekeo, Ekeo ry Tompo ny vavakay

Mivavaka e, Aminao zahay Ray ô
Ho an'ny mijaly sy ireo mahantra sy ireo madinika
Mba hitrka sy hanam-pinoana izy ireo 
Ary tsy hamoy fo, satria ho azy i Jesoa
Ekeo, Ekeo ry Tompo ny vavakay

Ary farany e, ho anay vory izao Ray ô
Iray Finoana miara-mitalaho Aminao 
Mba ho feno ny Fanantenana ny fonay
Ho entinao ry Ray ô 
Eo amin'ny fiainanay
Ekeo, Ekeo ry Tompo ny vavakay

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143