Zaho mino an'Andriamanitra e Ray mahefa ny raha jiaby e ia

Zaho mino an'Andriamanitra e
Ray mahefa ny raha jiaby e ia
Andriamanitra tokana olona telo
Ray, Zanaka sy ny Fanahy Masina e

Zaho mino ô, mino zaho ô
Ia e, tegna mino

Zaho mino an'Andriamanitra Ray mahefa
Ambony Izy noho ny zaka jiaby
Nanao koa ny lanitra sy ny tany 
Na ny hita maso na ny tsy hita e,  mino ô 

Zaho mino ô, mino zaho ô
Ia e, tegna mino

Kristy zoky sady Tompo,
Zanaka tokana Zagnahary
Nateraka vokatry ny Fanahy 
Mitovy fomba amin'ny Babantsika e,  mino ô 

Jesoa zanak'i Maria 
Nijaly eky sy maty ho anay
Kanefa nitsangana tamin'ny maty 
Nianatra nankany an-danitra any e, mino ô

Zaho mino ô, mino zaho ô
Ia e, tegna mino

Zaho koa mino ny Fanahy Masina 
Ny Eglizy Masina Katolika
Zaho mankato ny Batemy tokana
Sy ny fiainana mandrakizay e, mino ô

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2083