Mino aho Andriamanitra ô, mino mafy aho 'zay voalazanao

Mino aho Andriamanitra ô (2x)
Mino mafy aho izay voalazanao

 
1. Andriamanitra Ray mahefa a
(mino aho andriamanitra o)
Nanao ny lanitra sy ny tany ô
Sy ny zavatra hita maso ô
Sy ny zavatra tsy hita maso e
'Zaho mino an’i Kristy
(mino aho mino aho)
'Lay zanaka lahy tokana
 
2. Andriamanitra fahazavana
Andriamanitra fahamarinana
Nateraka izy fa tsy natao
Iray fomba amin’ny Ray
Ary izy no nahariana
An’izao tontolo izao
 
3. Ka isika olombelona
Sy ny famonjena antsika e
No nidinany avy an-danitra
Naka nofo tamin'i Maria ô
Noho ny herin’ny Fanahy Masina
Ka tonga olombelona
 
4. Nofantsihana ho antsika Izy
Tamin’ny hazo fijaliana
Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty
Dia nijaly ary nalevina
Fa nitsangan-ko velona Izy e
Tamin’ny andro fahatelo
 
5. Niakatra any an-danitra Izy e e
Dia mipetraka eo ankavanan’ny Ray ô
Mbola ho avy am-boninahitra a a
Hitsara ny velona sy ny maty ô
Ary tsy hanam-pahataperana aa
Ny voninahitra sy fanjakany ô
 
6. ‘Zaho mino ny Fanahy Masina a a
Tompo sy loharanon’aina e e
Tsaohina sy omem-boninahitra a a
Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka a a
Fa niteny mazava tsara Izy e
Tamin’ny vavan’ny mpaminany ô
 
7. ‘Zaho mino ny Eglizy masina a a
Katôlika apostôlika a a
Mankató ny batemy tokana aho e
Ho fanalana ny fahotana a
Miandry ny hitsanganan’ny maty aho e
Sy ny fiainana mbola ho avy ô

Nampiditra ari.malala
Fihirana Dera p. 267
Fihirana Hasina p. 159
Fihirana Vaovao p. 530
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494