Ry zatovo mitsangàna - MIEC

Ry zatovo, asandrato re ny finoana
Koa 'ndao mitsangàna
F'Izy Tompo no mandidy anao!
Aza kivy na sendra ady sarotra
Fiainam-baovao, izany no tanjona

1. Fa tanora miaramilan'i Jesoa Tompo izahay
    Mitory ny Evanjely amin'ny alalan'ny asa,
    Izay ialohavan'ny fandinihana
    ary toy izany koa y iafarany:
    Izany no fomba fiasanay!

2. Voahosotra ho fahazavana
    ary koa fanasin'ny tany
    Hizara ilay fitiavan'i Kristy amin'ny namana
    entina ho tarigetra ny hampanjaka fiadanana
    eran-tany, ary hitsimbina ireo mahantra

3. Atolory nhy hery hitambatra
    ho iray hiara-hanavotra
    hiasa, hiaro ny tranobe iombonana,
    ity tany mtahiry zava-boary
   Aron'ny ny fianan-ko avy, dia ny tontolo iainana

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 887
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0453