Ry tanora mivonona - MIEC

Ry tanora mivonona,
Miandry anao Kristy
Hanao ny asa fanompoana
niantsoany antsika ety.
Ry zatovo mitsangàna,
mirosoa fa aza malaina.
Ny fanahin'ny Tompo homba anao.

1. Ianareo no fanasin'ny tany,
   Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao
   Izaho mandidy anareo hatrany
   Ô, ry zatovo, mitsangàna dieny izao

2. Hampiely ny vaovao mahafaly
   Sy hampijoro hatrany ny fahamarinana
   Hanetry tena hitsinjo ireo mijaly
   Sy hanampy ireo sambatra

3. Hikolokolo ny zava-boaary
   Ho lovain'ireo taranaka rehetra
   Harena soa nomen-janahary
   Hiadanan'ny olona rehetra

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 886
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091