Hiroso an-kafaliana

1. Hiroso an-kafaliana àry isika e,
    Hiroso am-pitiavana
    Fa sasa-miandry anie ilay tia antsika e,
    Ilay Tomponn'y fitiavana

Indreto ny zanakao, Ray ô,
Ny avy any an-tanàna,
Hidera sy hankalaza,
Hivavaka sy hanaja
Hanome voniahitra ny anaranao

2. Mientan-kafaliana izao ny fo e,
    Hiaraka hiombom-bavaka
    Niantefa taminay ny antsonao,
    Ilay antso tsy manavaka

3.  Indro mimbom-peo ny vahoakanao,
    Anaty haravoana
    Ka tsy hisara-mianakavy
    Atambatry ny finoana

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fidirana
Fihirana Hasina p. 876
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091