Tsy handao korana, ilay sorompisaorana

1. Ilay sorom-pisaorana nankalazaina no nampiombona teto
Korana, hafaliana tanatin'ny vavaka no niainana teto
Maro ireo fahasoavana ho entinay mody ka hivelomana,
Ary ho zaraina amin'ny any an-tanàna sy ny ankohonana.

Fiv. Tsy handao korana àry aloha e, satry foana hijanona eto e
'Zahay no hifandao, f'Ianao Jesoa am-ponay ao
Tsy handao korana àry moa e, miandry ny any an-tanàna e
Mbola hihaona eto indray, hidera sy hankalaza ny Ray

2. Ilay tsodrano teo, izay zava-mahery, no manosika anay,   
Hitety ny onja ka handeha handroso amin'ny lalina indray   
Hanarato olona izay mbola tsy ao anatin'ny valanao,   
Ka ho mpiandry tokana sy ho vala tokana araka ny sitrakao
Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 846
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155