Ampianaro aho / Ray ô, nomenao anay ny saina matsilo

1. Ray ô, nomenao anay ny saina matsilo
    Saina mahiratra (mahiratra)
    Fa navadiko ho fitaovana amitahana
    Isandohana / amadihana
    Fa navadiko ho fitaovana ivarotana
    Ny marina / sy ny rariny!
    Itadiavako harena ô, isantarako hasambarana
    Itadiavako harena ô, isantarako hasambarana

Koa ampianaro aho, hampiasa ny fahaizako
Hanafoana laingalainga, hanafoana fitapitaka
Koa ampianaro aho, hampiasa ny fahaizako
Hitoriako fahamarinana, hampanjaka fiadanana
Hitoriako fahamarinana, hampanjaka fiadanana

2. Ray ô, natolotrao ahy ny fo mahay mitia
    Fo te-ho tiavina (tiavina)
    Fa navadiko ho fitaovana hametsena
    Anerena / tsy itserana
     Fa navadiko ho fitaovana angejana
    Tsy andeferana / tsy angorahana
    Isalorako hafaliana ô, ahazoako voninahitra
    Isalorako hafaliana ô, ahazoako voninahitra

Koa ampianaro aho, hampiasa ny fitiavako
Hanafoana volohala, lolom-po, valifaty
Koa ampianaro aho, hampiasa ny fitiavako
Hitoriako hafaliana ô, hampanjaka fiadanana
Hitoriako hafaliana ô, hampanjaka fiadanana

3. Ray ô, natolotrao ahy ny ny vatana salama
    Vatana matanjaka (matanjaka)
    Fa navadiko ho fitaovana handratràna
    Hamonoana / hampijaliana
    Fa navadiko ho fitaovana amoretana
    Iadiana / ifamotehana
    Anjakako samirery, ahitako fiononana
    Anjakako samirery, ahitako fiononana

Koa ampianaro aho, hampiasa ny herin-tanjako
Hamokararko harena ô, ilay harena iombonana
Koa ampianaro aho, hampiasa ny herin-tanjako
Hanafoana herisetra ô, hampanjaka fiadanana
Hanafoana herisetra ô, hampanjaka fiadanana

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 845
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116