Voninahitra e ia (Befandriana –Avaratra)

Voninahitra e ia ho an’Andriamanitra e ia e

Fiadanana e ia ho an’olombelona

Zay namindrany fony

Fa nanehoany (in-2) ny hatsaram-pony e ia

Voninahitra a voninahitra e Voninahitra e Voninahitra a

 

1- Midera anai izahay  e ! Mankalaza anao izahay e

Mitsaoka anao izahay e ! Zaganahary mahefa ny raha jiaby e

Nagnano ny tany aman-danitra e eia ! Voninahitra a

 

2- Midera anao izahay e ! Jesoa Tompo Zanaka Zaganahary e

Ianao ilay manala ny fahotana ! Fahotan’izao tontolo izao !

Mendrika haja sy voninahitra e e eia e

Voninahitra a

 

3- Midera anao izahay e ! Mankalaza anao izahay e

Ianao irery no Tompo ! Ianao irery no avo indrindra

Miaraka amin’ny Fanahy Masigny e e

Voninahitra

Nampiditra Lolo89
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009