Safidiko

Safidiko safidinao

Safidiko safidin’ny Tompo

Ny hiray trano hifanasoa, hifankatia

Na amin’ny mora na amin’ny sarotra

Mandra-maty e e

 

Tsy hanenenako ny soa natao e

Hifonako ireo ditra fahiny (taloha)

Fa vonona hanaja anao e e

Sy hifampitantanana any an-danitra rahatrizay

 

Etoana no hilazako e e

Aminao sy amin’ny Fiangonana

Fa vonona ho tia anao e

Mandra-pahatampitra ny fiainako manontolo

 

Ry Tompo ô mba valio e

Asandratray ny vavakay e e (Ray ô)

Mba hamasino re ny voadinay e

Fa sitrak’i Kristy zao safidy naorinay

Nampiditra Lolo89
Sokajy Fanambadiana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093