Voninahitra sy dera ho anao ry Masindahy Piera
(Tonalité fa)
Voninahitra sy dera, ho anao ry Masindahy Piera
Filohan’ny Eglizy, vatolampin’ny finoana
Eo am-pelatananao no misy, ny fanalahidin’ny lanitra
Voninahitra sy dera, ho anao ry Masindahy Piera.
1. Aza manadino anay, amin’izao andro izao
Fa matoky ny herinao, ny ondrikelinao.
2. Ry Ray mpiaro anay, manampia anay ianao
Tantano koa izahay, hanara-dia anao.