Sao ianao minia tsy mahalala
SAO IANAO MINIA TSY MAHALALA (Tonalité Sol)
Ref : Sao ianao minia tsy mahalala
Sao ianao minia tsy mahafantatra
Sao ianao minia tsy mety mijery
Fa misy ny lanitra.
1. Sambatra dia sambatra 'reo manam-pitiavana
Manampy ireo namana amin'ny hery rehetra,
Ireo lazaina fa mpanara-dia an'ny Tompo
Manefa adidy Masina.
2. Reo havana mahatra sy marary mahonena
Ireo kamboty tsy hita isa sesehena
Ampy ianao hiantrao fa sao hananan-tsiny
Amin'Andriamanitra.