Raiso re ry Tompo ity fanatitray e

Hira fanatitra : Raiso re ry Tompo ity fanatitray e  (Tonalité Do)

 

1-Raiso re ry Tompo, ‘ty fantatray e   

Ny mofo sy divay e

Tsy mendrika anao izay toloran'azy e

Koa mba raiso ry Tompo,

Ho solotenanay

 

Fiv :  Raiso re (in-4) ho sorona atolotray                 

         Ho fiderana Anao e!

         Raiso re (in-4) ho sorona atolotra Anao

 

2-Hasasarana vokatry ny asa

Fijaliana sy fahoriana,

Atolotranao ka mba raiso,

Ho onitr'ireo ratsy vitanay

 

3- Reo saina sy hery rehetra

Miara-mitady, ny marina

Atolotranao ka mba raiso,

Hanome voninahitra Anao.

 

Nampiditra Guliano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093