Ndeha isika hiara-dia e… (P. Matthieu)

1. Ndeha isika hiara-dia e…

Ho ao an-tranon-dRay (i)sika e

Hiaraka hankalaza ko(a)...

(Han)kalaza Ilay fitiavany...

Avia mitsangàna, andao hiaraka

Antsoiny koa ianao k’aza matahotra

Na iza ianao, na ino(na) toera-misy anao

Ti(a)ny ka nofidiny e !

 

2. Isika rantsam-batany e…

‘Ndao hifanohantohana

An-tranobe iombonana…

Fa olo raiky antsika e…

Avia mitsangàna, andao hiaraka

Antsoiny koa ianao k’aza matahotra

Na iza ianao, na ino(na) toera-misy anao

Ti(a)ny ka nofidiny e !

 

3. (Han)kamamy fiombonana e…

Ho tia fiaraha-monina

Hiara-dia, hifankati(a)…

Miandrandra fanasana e…

Avia mitsangàna, andao hiaraka

Antsoiny koa ianao k’aza matahotra

Na iza ianao, na ino(na) toera-misy anao

Ti(a)ny ka nofidiny e !

Nampiditra ZazLeMaitre
Sokajy Fidirana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218